<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>8</hymn_number>
<title>Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy TS8</title>
<lyrics>[V1]
 Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy;
 Fa mandrakizay ny famindram-pony.
 Midera an'Andriamanitra Avo Indrindra;
 Fa mandrakizay ny famindram-pony

[V2]
 Miderà ny Tompon'ny tompo;
 Fa mandrakizay ny famindram-pony;
 Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe
 Fa mandrakizay ny famindram-pony,

[V3]
 Izay nanao ny lanitra tamin'ny fahendrena
 Fa mandrakizay ny famindram-pony,
 Izay namelatra ny tany ho ambonin'ny rano,
 Fa mandrakizay ny famindram-pony,

[V4]
 Izay nanao ireo fanazavana lehibe
 Fa mandrakizay ny famindram-pony,
 Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro
 Fa mandrakizay ny famindram-pony,

[V5]
 Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina
 Fa mandrakizay ny famindram-pony,
 Izay naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin'ny fahavalontsika
 Fa mandrakizay ny famindram-pony,

[V6]
 Izay manome hanina ny nofo rehetra
 Fa mandrakizay ny famindram-pony;
 Miderà an'Andriamanitry ny lanitra;
 Fa mandrakizay ny famindram-pony.

[V7]
 Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
 Ary ny Fanahy Masina;
 Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
 Andriamanitra mandraki-zay. Amen.</lyrics>
</song>